ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nandraisana fepetra ny mpamily mpanimba ny fananam-bahoaka

Mpamily iray indray no voasambotry ny zandary avy ao Sabotsy Namehana ny herinandro lasa teo. Minia nandeha teny amin’ny lalana Antsofonondry, izay lalana voafetra ho an’ny karazany fiara ity farany nandraisana fepetra avy hatrany.

« Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famaizana sy fanenjehana ireo mpandika lalàna sy manimba ny fananam-bahoaka. Efa maro no tratra kanefa tsy mbola fay ihany koa ny sasany ka ny lalàna no hampiharina azy » hoy ny zandary avy ao amin’ny brigady Sabotsy Namehana.

« Ny fahasahiana mitoroka ireo olona minia mandika lalàna sy tsy manaja ny fananana iombonana no tena zava-dehibe. Iaraha-mahita tokoa fa maro ireo manararaotra tsy te ahalala ny hafa ka manao izay tiana amin’ny fampiasana ny fananana iombonana, tena mendrika sazy enja tokoa izy ireny » hoy i Mino, mponina ao Sabotsy Namehana.

Nahiditra ambalam-pamonjana moa ity fiara ity ary notazomina natao famotorana kosa ilay mpamily tsy nanara-dalàna ity.

Laisser un commentaire