Rivo-doza Freddy: Namela takaitra mafy tamin’ny foto-drafitr’asa
Araka ny fanambarana avy amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro dia efa nivoaka an’ny Madagasikara tanteraka ny rivo-doza Freddy. Namela takaitra mafy anefa izy tamin’ireo foto-drafitr’asa isan-karazany. Efa aman’alina ihany koa ireo traboina amin’izao fotoana avy amin’ny tokantrano miisa 4 103. Tsy nisy olona tsy hita popoka saingy miisa 4 kosa ireo izay namoy ny ainy.
“Maro ireo fotodrafitr’asa toy ny toeram-pianarana izay tena nitondra takaitra betsaka, eo ihany koa ireo toeram-ponenana. Miisa 2 276 ireo toeram-ponenana dobo-drano, 20276 no isan’ireo teoram-ponenana simba ary 14 ireo toeram-ponenana rava tanteraka. Eo amin’ny lafiny fampianarana kosa dia miisa 79 ireo toeram-pianarana dobo-drano, raha 6 ireo toeram-pianarana rava tanteraka ary miisa 37 kosa ireo toeram-pianarana simba amin’ny ampahany. Ny takaitra amin’ny maha-olona kosa dia nalefaka kokoa noho ny tamin’ny rivo-doza Cheneso farany teo”, hoy ny avy ao amin’ny BNGRC.
“Efa voaray avokoa ireo traboina rehetra amin’izao fotoana izao amin’ny toerana vonjimaika miisa 37 ao anatin’ireo faritra roa dia I Vatovavy Fitovinany. Raha tsiahivina moa dia faritra miisa 6 amin’ny 23 no tena voakasiky ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Mbola mandray hatrany ny fanampiana rehetra avy amin’ny tsirairay ny BNGRC ho an’ireo olona traboina ireo. Mila harenina haingana ihany koa ireo fotodrafitr’asa rehetra hahafahan’ny olona miverina amin’ny fiainana andavan’andro sy hahafahan’ny mpianatra miverina mianatra indray. Izany rehetra izany no ilaina ny fifanomezan-tanana amin’ny Malagasy rehetra.
Miora Raharisolo
