Fandraharahana ataon’ny tanora vao misandratra
Nanome tohana ara-bola ny tanora misehatra eo amin’ny fambolena ny banky afrikanina momban’ny fampandrosoana na ny BAD
Nisy ny famantsiam-bola natolotry ny « Banque Africaine de Développement (BAD) » tamin’ny alalan’ny tetikasa « programme de promotion de l’entreprenariat des jeunes dans l’agriculture et l’agroindustrie (Pejaa) » izay ho an’ny tanora misehatra eo amin’ny fambolena sy nyu fandraharahana. Ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono (maep) koa manampy sy manohana ny tanora ao anatin’ny sehatry ny famoronana asa sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena. Ny komity mitarika sy manaraso na ny COS izay ivondronana’ny tompon’andraikitra, ny minisiteran’ny toekarena sy ny toe-bola (MEF) sy ny tranoben’ny tantsaha ary ny sehatra tsy miankina dia nidina ifotony teny amin’ny ivon-toerana pejaa Analamalotra, Toamasina mba hanombanana ny zava-bita sy hifandray mivantana ireo mpampiofana ireo tanora izay nahazo ny famantsiam-bola avy amin’ny tetikasa.
« Ho fampivelarana ny fandraharahana any amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampidirana ny tanora eny amin’ny ivon-toerana pejaa » hoy ny mpamantsy vola. Ny tompon’andraikitra avy amin’ny minisitera mpiahy kosa nilaza fa tena ilaina ny fanohanana ireo tanora misehatra amin’ny fambolena satria izy ireny no hoavin’ny firenena. Nahafinaritra ireo tanora mpandraharaha moa izao fampiroboroana ny sehatry ny fambolena izao ary tena ilain’izy ireio ny fanohanana indrindra ny ara-bola mba hampandroso ny asan’izy ireo.
Mila ny fanohanana avy amin’ny fitondranatanteraka ireo mpandraharaha tanora vao misandratra kanefa mila ny fandavan-tenana’ireto farany koa izany ary tsy ny tanora eo amin’ny sehatry ny fambolena ihany fa ireo any amin’ny sehatra hafa toy ny asa tànana, haitao ara-kajimirindra ary ny fiompiana toy ny trondro sy ny tantely.
Anja Raharimalala
