ActualitésTatitra

Espagne : Nametra-pialàna i Luis Rubiales

Niteraka resa-be ny fihetsika nataon’i Luis Rubiales, filohan’ny federasiona espaniolan’ny baolina kitra tamin’i Jenni Hermoso, kapitenin’ny ekipan’ny Espagne sokajy vehivavy. Raha tsiahivina dia norohan’io tompon’andraikitra eo teo amin’ny molony i Jenni Hermoso nandritra ny lanonana fanolorana ny amboara eran-tany ny lalao baolina kitra vehivavy.

Raha ny fanazavany dia nentin-kafaliana loatra ny tenany, saingy manoloana ny onjam-panakianana mahazo azy dia voatery napetra-pialàna izy ny zoma teo. Tsiahivina nefa fa nilaza izy tany am-piandohana fa tsy maniry ny hiala amin’io toerany io ary efa naneho fialantsiny ampahibemaso manoloana io fihetsika tsy voahevitra nataony io.

Marihina fa efa nanokatra fanadihadiana ny FIFA. Fantatra fa iray amin’i Pedro Rocha na i Pablo Lozano no hisolo an’i Luis Rubiales.

Laisser un commentaire