CNFM : Mila ampiana ny vehivavy mandray anjara amin’ny raharaham-panjakana
Mbola vitsy amin’izao fotoana izao ny tahan’ny vehivavy mandray fanapahan-kevitra sy mandray anjara amin’ny raharaham-panjakana eto Madagsikara. Mbola eo amin’ny manodidina ny 6% eo izy amin’izao fotoana izao izany. Amin’ny fampiroboroboana ny miralenta anefa dia tokony hifandanja izany amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, na dia tsy eo anivon’ny fanjakana irery ihany aza fa eo ihany koa ny sehatra hafa.
« Mbola ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra sy raharaham-panjakana. Izany no tena antony nanatanterahana ity atrik’asa ity, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe “ahoana ny fomba hampiakarana ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra sy amin’ny raharaham-panjakana », hoy ny avy ao amin’ny CNFM.
« Efa maro ny rafi-panjakana vahiny tantanan’ny vehivavy ka amiko almoha tsy tokony ho olana izany. Tsy voatery hoe raha vehivavy no eo dia tsy handroso ny zavatra iray, azo antoka ve raha lehilahy no amin’io toerana io dia tena mandroso arak any ilaivana azy ilay izy. Tsy tokony hambaniana ny vehivavy, na ny karazan’olona rehetra satria samy manana ny hanitra ho azy », hoy i Rafidy, mpandinika mikasika ny fiaraha-monina.
Maro ny hevi-draikitra mahakasika ny fandraisana andraikitry ny vehivavy ka izany mihitsy no tokony ahitsy mba hahafahana tonga amin’io tanjona io. Ny fanarenana ilay kolontsaina mahakasika izany nop himasoan’ny CNFM ka izay no antony lehibe nanaovana ity fivoriana ity hikarohana vahaolana. Raha aminao, raha vehivavy no Filoham-pirenena Malagasy dia mety ve ? Azo heverina hampandroso ve?
Miora Raharisolo
