Politique

Nolavin’ny prefektiora ny fitsangatsanganana karakarain’ny vondrona mpanohitra.

Tsy eken’ny avy ao amin’ny Pefektioran’Antananarivo renivohitra ilay fitsangatsanganana karakarain’ny antoko mpanohitra amin’ny sabotsy ho avy izao, izay mbola tsy fantatra mazava ny toerana. Fanakorontanana, fanenjehana olona ary fihetsiketsehana ara-politika no nandraisan’ny Prefektiora ity hetsika hokarakarain’ny antoko mpanohitra ity. 

Tompon’andraikitra, hoy izy, ny tompon’ny toerana hanaovana ilay hetsika. Etsy an-kilany anefa, mangataka amin’ny fahefana mahefa hanome halalana azy ireo hanao izany fitsangatsanganana izany ny filoha lefitra ny Antenimeram-pirenena eto Antananarivo, Honoré Rasolonjatovo. Mila fahazahoan-dalana 2 andro mialoha toy ny hetsika rehetra anefa izy ity hoy ihany ny avy ao amin’ny prefektiora.  Aorian’izay vao dinihin’ny tompon’andraikitra misahana ny lafin’ny fandriam-pahalemana ireo fepetra raisina mandritra ny fitsangatsanganana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire