Fanampiana ireo mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana manoloana ny Covid-19.
Anisan’ny mpiasa tena akaikin’ny valan’aretina coronavirus ny mpitsabo. Efa nandalo tsy fahasalamana vokatr’izany ny ankamaroan’izy ireo. Manoloana izay indrindra, nanome tosika ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana ny Sopharmad. Nanolotra fanaovana fitiliana “TDR” miisa 80 izy ireo. Tanjona ny hahafahan’ireo mpitsabo ireo manara-maso ihany koa ny fahasalamany. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo nandritran’ny fotoana nahamafy ny valan’aretina teto Madagasikara.
Fanilo Rarivoarilala
