Avaradrano: Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Tournoi intercommunal Basket-ball Avaradrano »
Tamin’ny sabotsy teo no nanatanterahana ny fanokafana ny lalao fifaninanana ara-panatanjahan-tena iraisan’ny kaominina, eo amin’ny taranja basket-ball,eto amin’ny distrika Avaradrano. Kaominina enina (6) no mandray anjara ao anatin’izany, araka ny voalaza.
« Teto amin’ny kianja Andrianampoinimerina, Sabotsy Namehana no nanatanterahana ny lanonam-panokafana ara-pomba ofisialy ny Basket-ball intercommunal. Tonga nanontrona sy nanome voninahitra izany ireo solo-tena avy amin’ny distrika Avaradrano,ny ben’ny tanàna sy lefitra, ny seksion’ny basket-ball Avaradrano ary ireo ekipa mpilalao voafantina » hoy ny avy amin’ny mpikarakara.
« Hita taratra ny fahavononan’ireo mpilalao. Ilaina hatrany anefa ny fanohanana avy amin’ny rehetra ao anatin’izany. Ny fifaninanana tahaka izao, izay sady manome lanja ny firaisan-kina no manome anjara toerana ny tanora » hoy ny avy amin’ny distrika.
Ekipan’ny kaominina Alasora, Ambohimangakely, Ankadikely Ilafy, Talata Volonondry, Sabotsy Namehana ary Anjeva moa no mifaninana ao anatin’izany. Marihina moa, fa ao anatin’izao fifaninanana izao no hitarafana sy hanomanana indray ireo mpilalao handrafitra ny ekipan’ny distrika amin’ny fifaninanana rezionaly amin’ny taranja baskety ity hatrany.
Manitra R.
