ActualitésTsidika

Mpivarotra 400 no napetraka teny amin’ny tsena vaovao ao Behoririka

Isan’ny sehatra efa mivelatra tokoa ny varotra eto amintsika satria manao izany avokoa izay tsy an’asa. « Matoa betsaka ny mpivarotra dia miha mahantra ny firenena » hoy ny fanehoan-kevitr’i Lalaina, mpampianatra.

Enjehin’ny Kaominina anefa ny fivarotana eny amoron-dalana, satria milaza ny tompon’andraikitra fa « ny lalana natao ho an’ny fiara, ny moron-dalana natao ho an’ny mapndeha tongotra ary ny tsena no natao ho an’ny mpivarotra ». Na izany aza anefa, tokantrano maro no mivelona amin’ny fivarotana eto Madagasikara ary isan’ny vahaolana natolotra ny fananganana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpivarotra eny Behoririka.

Mpivarotra miisa 400 no hisitraka izany tsenan’i Behoririka izany ary tamin’ny alalan’ny atsapaka no nanomezana ny toerana ho an’ny tsirairay. Raha ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia ny mba hampidirana ho any amin’ny ara-dalàna ireo mivelona amin’ny varotra sy mba hampizorana tsara ny fifamoivoizana araka ny fandaminana no tanjona mandritra izany. Hita tokoa mantsy ny tarainan’ny maro noho ny fahateren’ny lalana eny amin’iny manodidina iny izay sady miteraka fitohanana na ho an’ny mpandeha tongotra na ho an’ny fiara. « Efa napetraka eny Mahamasina ny ivon-toerana handraisana ireo manana fitarainana manodidina izany ary hijery akaiky ny vahaolana isika », hoy ny ben’ny tanàn’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina.

Tsy ny mpivarotra ihany anefa no manana adidy hifindra eny an-tsena fa isika mponina sy mpanjifa ihany koa dia manana adidy hanampy ireny mpivarotra ireny hamonjy ny tsenan’i Behoririka amin’ny alalan’ny fanentanana na tsy fifidianana entana amoron-dalana intsony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire