SportTatitra

Estonie : Nibata fandresena i Kalle Rovamperä

Izy izany izao no tanora indrindra nibata fandresena tamin’ny WRC. 20 taona monja ny lehilahy. « Tsy dia ratsyloatra iny, na dia tokona nitranga talohaloha kokoa aza iny fandresena iny, » hoy ity mpanamory Toyota ity raha namaly am-pitsikiana. « Tsy mora ity taom-pilalaovana ity, ary mahafinaritra tokoa ny fanatratrarana izao fandresena izao eto Estonie, raha nisy kely dia tao an-trano (mifanakaikikaiky i Estonie sy i Finlande, tanindrazany). Tena goavambe ary fahatsapana mahafinaritra izany ». Faharoa i Craig Been (Hyundai), ary fahatelo i Thierry Neuville (Hyundai). Mitarika eo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany i Sébastien Ogier (Toyota, isa 148). Manaraka azy eo i Elfyn Evans (Toyota, isa 111) sy i Thierry Neuville (isa 96).

Laisser un commentaire