Mitondra voka-tsoa ny fihinana « navet »
Ny « betterave » no matetika resahina. Ny « navet » koa anefa dia legume mitovy aminy, sady maro ny tombotsoa azo avy amin’ny fihinanana azy.
Miaro amin’ny homamiadana izy, sady tsara ho an’ny olona voan’ny homamiadana ihany koa. Manala fanaintaina sy miaro amin’ny tsimok’aretina isan-karazany, sady mety amin’ny olona misy diabeta. Mampihena vatana zy manala tavy ny navet ho an’ireo izay mila izany ka sady tsara ho an’ny taolana no miaro ny aty sy mety amin’ny tsinay.
Tsara ho an’ny olona manana tosi-dra ambony sy mampidina ny tosi-dra izy ary manampy amin’ny fandevonan-kanina ary tsara hoan’ny lalan-drà sy ny fo. Miaro ny voa ary tsara ho an’ny hoditra sy ny volo ny fihinana azy. Manampy amin’ny fitadidiana ary miady amin’ny tsy fahampian’ny rà ny navet.
Tsara ho an’ny maso sy ho an’ny olona sempotra ary ny vehivavy bevohoka izy ary manampy betsaka amin’ny hery fiarovana. Atao lasary na hohanina manta amin’izao no sady azo atao ranomboankazo ihany koa ny navet ka somary ampiarahina amin’ny karaoty sy ny persily na celeri.
Nicole Rafalimananjara
