Ambohimangakely : Toka-trano iray voatafika ary nodorana avy eo
Toka-trano iray no nisy namaky teny amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nodoran’ireo mpanao ratsy ny tao anatin’ny trano taorian’ny nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, ary nanano sarotra ho an’ny mpamonjy voina ny famonoana ny afo teny an-toerana, raha ny voalaza.
« Ny zava-niseho tety an-toerana moa izany dia tsy afaka nanatanteraka ny famoana ny afo tao amin’ny toerana nitrangan’ny loza ireo mpamonjy voina vokatry ny fahateren’ny lalana eo amin’ny tetezana izay fiampitana mankeo amin’ny tanàna » hoy i Laza, mponina eo amin’ny manodidina.
« Anisan’ny efa olana nosedrain’ny mponina hatramin’ny taona maro ny mahakasika ny fampiasana io tetezana io. Efa hatramin’izay no tsy azo nampiasaina raha tsy mandoa vola, izay tena mampalahelo satria efa ela ihany koa no nanaovana fitarainana tamin’ny tomponandraikitra fa tsy nisy vahaolana hatramin’izao » hoy i Lydia, mponina ao Ambohimangakely.
Marihina moa, fa nisy ny fangatahan-dalana nataon’ny mponina tao amin’ny trano teo akaiky saingy tsy nahazo lalana ireo mpamponjy voina, raha ny voalaza hatrany. Voatery nijanona teo amoron-dalana araka izany ireo mpamonjy voina ary nisy kosa ny fifanolora-tanana nentina namonoana ny afo.
Manitra R.
