Barea CHAN : Mbola tsy nandray ny valin-katsembohany avy amin’ny CAF
Dépêche 05 mai, 12h, Mampitaraina ireo Barea izay nandray anjara tamin’ny CHAN farany teo ka nahazoan’izy ireo ny Prize Money ny mbola tsy fahazoan’izy ireo izany lelavola izany. Efa andro maromaro izay no eo am-pelatanan’ny FMF ny vola, saingy mbola tsy voazara amin’izy ireo ihany hatramin’izao. Raha ny vaovao hatrany dia 40% amin’ilay vola ihany no hozaraina amin’ireo mpilalao, ka anisan’ny miteraka ny disadisa ihany koa izany. Mametra-panontaniana izy ireo fa izy ireo no niaritra ny mafy ka iza no handray ny vidin-kasasarany. Misy ampahany amin’ilay vola mantsy no hotolorana ny klioba sy ny ligy nivoaran’ireo mpilalao. Manontany tena indray izy ireo hoe : fa inona no nataon’ireo Ligue no anombinana ho azy ireo ny vidin-kantsebohanay ? Manantena ny mangarahara sy ny tsy fisian’ny kiantranoantrano araka izany ireo mpilalao sy ireo mpankafy ny baolina kitra Malagasy.
