ActualitésTsidika

Fanomanana JIOI : Fivoriana faharoan’ny mpikarakara rehetra ny 18 hatramin’ny 21 may

Efa-bolana alohan’ny hanatanterahana ny Jeux des Iles de l’Ocean Indien izay hatao eto Madagasikara dia handrasana eto an-tanindrazana ireo mpiakambana ao amin’ny Kaomisiaona Iraisam-pirenen’ny Lalao (CIJ) hanatanteraka ny fivoriana faharoa. Anatin’ny fanomanana ny JIOI avokoa izany rehetra izany ka ny 18 hatramin’ny 21 may izao no hotanterahana ny fivoriana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io fotoana io izay hijerevana ny fandrosoan’ny asa fanomanana.

« Hiaraka hanombana ny fandrosoan’ny asa fanomanana ny Commission, hampifanarahana amin’ireo toromarika rehetra nandritra ny fivoriana voalohany ny volana desambra teo. Hojerena amin’io fotoana io ihany koa ny logo, mascotte, ary ny hira faneva ho an’ny lalao andiany faha 11. Hisy ihanyb koa ny fijeravana ireo kianja hisehoan’ny lalao sy hanatanterahana ny fanazaran-tena. Tafiditra ao anatin’izany ny Complexe sportif Vontovorona, ny Lapan’ny fanatanjahantenan’i Mahamasina, ny Kianjan’Alarobia, ny Kianja Barea Mahamasina, ny Kianja mitafon’Ankorondrano sy Mahamasina, Analamanga Park, ary mety ho tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny Kianja Maki Andohatapenaka », hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Ho an’ny Madagasikara manokana, izay handray ny lalao, dia mbola maro ireo lesoka tsy maintsy harenina amin’ireo kianja isan-karazany sy ireo fikarakarana mbola tsy tomombana. Nanome toky anefa ny Ministera fa tsy maintsy hotanterahina eto Madagasikara ity lalaon’ny Nosy ity. « Mbola malalaka ny fotoana hamitana ny asa fanarenana rehetra satria efa-bolana izany mbola hahavitana zavatra betsaka. Araka izany dia mitombo avo roa heny anefa ny asa miandry ny mpiakarakara hahafahana manatratra ny fepetra takiana amin’izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Firenena miisa 7 no handray anjara amin’ity alaon’ny Nosy ity dia ny Nosy Maurice, Nosy La Réunion, Nosy Maldives, Nosy Comore, Nosy Seychelles, Nosy Mayotte ary i Madagasikara. Hotanterahina ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao ity lalao lehibe ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire