Dépêches

Miisa 34 ireo basy tsy ara-dalàna tratra

24 Novambra, 08h00. Nandritra ny volana Oktobra sy ity Novambra ity, basy tsy ara-dalàna miisa 34 no azon’ireo miaramila ao amin’ny ZDS Andringitra ka mitsinjara toy izao : 3 basim-borona ary 31 basy lava sy poleta vita tanana. Distrika telo ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony no nahazoana ireo fitaovam-piadiana ireo ka ny ampahany dia naterin’ny olona tsara sitrapo raha azo teny am-pelatanan’ny dahalo kosa ny sasany nandritra ny fifandonana tamin’ny miaramila

Laisser un commentaire