Dépêches

Ivato : Volamena 835 grama sy vatosoa 20 grama tratra tao anaty fitombenana

29 Jona, 10h00. Teratany Sri lankais iray antsoina hoe Mohammed no nahatratrarana bolongam-bolamena miisa 7, milanja 835 grama sy vatosoa 20 grama no tratra tao anaty fitombenany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nikasa hiazo an’i Colombo, Sri Lanka, tamin’ny alalan’ny zotra laharana MK289 mandalo an’i Maurice sy Dubaï izy. Nambaran’io olona tratra io fa ny fisian’ny vy amin’ny tongony no nampaneno ny « magnétomètre ». Niantso dokotera ny mpiasan’ny Fadintseranana nanao fitiliana azy. Tratra nandritra izany ireo volamena sy vatosoa ireo. Hatolotra ny Fampanoavana androany 29 jona ny raharaha.

Laisser un commentaire