SportTatitra

Portugal : Nivoaka ho mpndresy i Fabio Quartararo

Ny alahady 18 aprily 2021 lasa teo no nahazo ny fandresena i Fabio Quartararo, nandritra ny fifaninana Moto-GP, izay nitondra ny marika Yamaha. Nampiaky volana ny maro ny fampisehoana nataon’i Fabio Quartararo. Nifaninana niaraka taminy i Alex Rins, izay simba hatramin’ny fitaovany mihitsy  tamin’ny faran’ny lalao. Teratany frantsay i Fabio Quartararo, ary faly nandritra ny fandreseny tamin’io lalao io. Maro ireo mpifaninana niaraka taminy nandritra ity lalao ity saingy niavaka nandritra izany ihany koa i Alex Rins, saingy nisy ny fahadisoana nataony nandritran’ny lalao ka tsy nahazohany ny fandresena. Anisan’izany i Johann Zarco, izay nianjera, i Francesco Bagnaia (Ducati, tafiditra faharoa), sy Joan Mir (Suzuki, fahatelo tamin’ny lalao omaly), samy nifaninana izay ho tompon-daka ihany avokoa izy ireo. « Tsy fantatro akory izay holazaiko » hoy ity teratany frantsay ity nandritra ny fakana am-bavany azy, nihaotra ny fetra ny hafainganana nanananay, hitako fa tao aoriany i Rins, saingy tsy azony mihitsy ny vitanay nandritra ny fanazaran-tena, ka nieritreritra aho fa hanao hadisoana izy. Natosiko mafy ny tanjako iray manontolo, Ka tena tsy manana ny teny aho », hoy hatrany izy. I Fabio Quartararo izao no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompondaka (isa 61). Manaraka azy eo i Francesco Bagnaia (isa 46). Fahatelo i Maverick Viñales (Yamaha).

Laisser un commentaire