Torohevitra: Ny soa azo avy amin’ny fihinanana sosety
Mbola ao anatin’ny fotoana fahavokaran’ny sosety tsara isika amin’izao fotoana izao. Ny sosety izay anisan’ny legioma tsy lefy laza ary maro mpamboly eto amintsika. Tsy betsaka no mankafia azy io, indrindra ny ankizy sy ny tanora, tsy mahavoa ny fihinana azy, miferotr’aina rehefa hoe sosety no laoka.
Tsara ho fantatra anefa anisan’ny legioma tena mahatsara ny fahasalamana ny sosety. Maro ny soa entiny eo amin’ny fahasalaman’ny taovan’ny vatan’olombelona noho izy manan-karena singa feno otrik’aina ilain’ny vatana, ohatra ny vitamin B, C, K, manankarena antioxidant sy fibres ihany koa izy.
Ireo otrikaina ao anatiny ireo izay manatsara ny fiasan’ny fo, miaro ny fiforonan’ny homamiadana ary manampy ny vatana hamokatra magnesium sy proteina, miaro ny fiforonan’ny mony ihany koa ny sosety ary mitahiry ny fahasalaman’ny taolana.
Mbola maro ireo soa entin’ny fihinanana sosety amin’ny vatana. Mila mazoto mihinana azy hatrany araka izany raha te ho salama lalan-dava. Maro ny fomba azo hihinana azy ary tsara ovaovaina mba tsy ho mora hankaleo.
Manitra R.
