Dépêches

Taranja Judo: Hatao eto Antananarivo ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika amin’ny “cadets sy ny juniors”

Dépêche 02 mars, 12h, Hatao eto Antananarivo ny volana jolay izao ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika amin’ny taranja Judo ho an’ireo “cadets sy juniors”. Mety hiara-dalana amin’ny fanakalazana ny faha 60 taoan’ny Judo eto Afrika ihany koa izany. Niaraka tamin’izany fanambarana izany dia nisy ny fanomezana mitentina 258 tapitrisa ariary avy amin’ny Japon ho an’ity taranja ity hatrany. Izany dia hahafahana manampy ny fampitaovana ho an’ny Dojo National, tafiditra ao anatin’izany ny tatamis, ny fitaovana fikotranana manara-penitra rehetra.

Laisser un commentaire