Seychelles : Tafapetraka ilay rindram-baiko hiadiana amin’ny sakana ara-barotra
Namolavola sehatra nomerika ahafahana mitoroka ny sakantsakana ara-barotra ny governementan’i Seychelles. Nambaran’ny minisiteran’ny varotra tao an-toerana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny volana febroary teo ny fampiasana io rindram-baiko io, izay antsoina hoe TOAM (Trade Obstacle Alert Mechanism).
Io rindram-baiko io dia manome ita samihafa ho an’ny governemanta manoloana olana mety atrehin’ny indostria iray. Amin’ny lalan’io rafitra io ihany koa no ahafahana mampahafantatra na mampatsiahy ny orinasa ny fitsipika sy ny fomba fiasa hoy ny minisitry ny varotra, Naadir Hassan.
