Fifidianana: Hangarahara tanteraka ny fanomanana sy ny fanatanterahana izany.
Dépêche 02 mars, 13h, Araka ny fampanantenana izay nataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny mangarahara tanteraka amin’ny fifidianana dia mbola mametraka izany tanjona izany hatrany izy ireo. Hahafahana manatanteraka izany dia zava-dehibe ny manao laharam-pahamehana ny tetibola rehetra ilain’ny CENI. Ankoatra ny fanampiana ara-bola anefa dia efa manao antso amin’ireo mpanara-maso ihany koa ny Fitondram-panajakana amin’izao hahafahana manatratra io tanjona io hatrany.
