Ambohimangakely : Tsara raha mandray fepetra manandrify azy ny rehetra
Betsaka ny loza mety ho avy rehefa betsaka ny rotsak’orana. Miakatra ny rano ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Mangataka ny rehetra mba samy handray andraikitra ny avy ao amin’ny Kaominina.
« Ilazana isika manamorona ireny rano sy lakan-drano ary ireo toerana iva mba samy handray fepetra. Tsara raha miakatra amin’ny toerana azo antoka kokoa ho an’ny vonjy aina » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. « Voakasik’ity fampitandremana ity ihany koa ieo mponina manamorina ny fotodrafitr’asa sy ieo avoana misy loza mitatao toy ny tamboho. Samy mahalala ny faritra misy azy avy ny rehetra. Aoka samy handray fepetra manodidina izany » hoy ny Ekipan’ny Kaominina.
« Mila mailo sy mitandrina mandrakariva isika. Marina fa manana andraikitra hiaro ny aintsika ny mpitondra saingy isika aloha no tena tompon’andraikitra voalohany amintsika » hoy i Hery, mponina ao Ambohimangakely.
Azo atao tsara ny mampandre ny kaominina raha tonga ny loza. Manana andraikitra amin’ny mpiara-belona amintsika ihany koa isika vahoaka. Trano atsimo sy avaratra tokoa mantsy, ka izay tsy mahalen-kialofana.
Nicole Rafalimananjara
