Europe : Vehivavy indray no voasafidy hitantanana ny parlemanta
I Roberta Metsola no voafidin’ny lohaolona tao Europe hitondra parlemanta ao an-toerana ny talata teo. Izy no voasafidy hisolo an’i David Sassoli, nodimandry 11 janoary teo, izay tokony namarana ny fe-potoam-pitondrany amin’ity herinandro ity. Anisan’ireo kandida nanana ny mombamomba tsara indrindra i Roberta Metsola, 43 taona. Avy ao Malte izy, ary niteraka efatra. Solombavambahoak’i Europe hatramin’ny taona 2013 izy ary filoha lefitry ny parlemanta nanomboka ny taona 2020.
