Afrique du Sud : Biby haingam-pandeha indrindra ny guépard
Ny « guépard » omena ny anarana siantifika hoe « acinonyx jubatus » dia karazana biby mampinono mihinan-kena ao amin’ny fianakavian’ny « félidés ». Ao Afrique sy Asie andrefana no tena honenany. Mahitsihitsy endrika ary manifinify raha ho arina amin’ireo « félidés » hafa ny « guépard », lavalava tongotra izy ary fohifohy vava misy tsipika mainty miainga eo amin’ny maso.
Miloko volon-tany mazava feno pentina mainty ny « guépard ». Misy volo fohifohy ny zanak’io biby io izay miala rehefa miahalehibe. Voasokajy ho isan’ny biby ambonin’ny haingam-pandeha indrindra eran-tany ny « guépard ». Mahatratra 112km/ora ny haingam-pandehany.
