Fiainam-pirenena: Lany nasiam-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2023.
Rehefa lany teo anivon’ny Solom-bavam-bahoaka ny teti-bolam-panjakana dia noentina teo anatrehan’ny Loholona indray ka lany izany saingy nasiam-panitsiana kosa ireo teboka sasantsany. Notsindrian’izy ireo manokana ny mahakasika ny solika sy izay rhetra mifandray amin’izany. Nampiakarina ho 20% ny haba ho alaina amin’ireo mpanafatra solika raha 15% izany no voasoratra ao.
“Tokony ho 20% no haba ho alaina amin’ny mpandraharaha solika eto Madagasikara araka ny tapaka tao amin’ny fivoriana na dia 15% aza no nisoratra tao amin’ity teti-bola ity. Hajanona amin’io anefa izy ny enim-bolana voalohany amin’ny 2023 fa kosa tokony ho izay 20% izay kosa ny amin’ny enim-bolana faharoa”, hoy ny Solontena avy ao amin’ny Antenimieran-doholona.
“Tsy misy fiantraikany amin’ny vidin-tsolika anefa ny fampiakarana izany raha ampiharina. Ny tena anton’izany fampiakarana izany moa dia mba hialana amin’ny famenoan’ny fanjakana ny fahabangana 5% amin’ny kompanian-tsolika”, hoy kosa ny Minisitry ny Toekarena tamin’ny fanazavany.
Ankoatra izany vidin-tsolika sy ny manodidina ny solika izany dia voaresaka tao ihany koa ny haban’ny famoaham-bokatra izay tokony hoferana ho 15% ankoatra ny vato sarobidy. Noresahana ary somary naandaniana fotoana ela ihany koa ny mahaaksika ny orinasam-panjalana Jirama. Tsy tokony hamidy amin’ny alalan’ny « émission de bon de trésor » intsony ny trosan’ny JIRAMA fa tokony vidian’ny fanjakana mivantana. Nambaran’ny loholona tamin’ny fanitsiana fa omena alalana ao amin’ny andininy faha 20 ny fanjakana hividy izany trosan’izy ireo izany.
Miora Raharisolo
| RépondreTransférer |
