Ankadikely Ilafy : Mitohy ny ezaka ho an’ny asa fanadiovana
Tsy mitsahatra ny manao fanentanana amin’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana, mahakasika ny fahadiovana. Mbola ao anatin’ny fotoana fiaraha-mientana amin’ny fanadiovana sy ny fikojana ny fahadiovana ny kaominina amin’izao fotoana izao, ka mampatsiahy hatrany ny mponina amin’ny fandraisana ny anjara andraikitra isan-karazany amin’ny fahadiovana.
« Ilaina ny fandraisan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy avy na ny fanajana ny fahadiovana na ny fanadiovana, mifampitaiza sy samy ho sarotiny mba tsy handrora mitsilany ka isika rehetra ihany no mizaka ny vokany avy eo. Atao tanjona ny mifanaja ao anaty fiaraha-monina madio, hanjakan’ny firaisan-kina » hoy ireo tomponandraikitra ao anivon’ny kaominina.
« Mampifamaly ireo tomponandraikitra misahana ny resaka fako sy ny mponina matetika ny resaka fanadiovana. Ilaina fiaraha-mientana ary tokony hifampianatra hifanaja ny rehetra satria tombotsoa iombonana ny resaka fahadiovana ka tsy tokony hifampiandry ankendritohana » hoy i Agnès, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tsy tokony hiantehitra amin’ny herin’olon-tokana raha hikatsaka fampandrosoana anaty kaominina. Mila fandraisan’andraikitry ny tsirariray izany, miainga amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaha isan-karazany ao anatin’ny kaominina, tafiditra ao anatin’izany indrindra ny resaka fahadiovana.
Manitra Ramanantsoa
