Royaume-Uni : Nisy nitoraka atody ny mpanjaka Charles III nandritra ny diany tao York
Nandalo tao York, ao avaratr’i Angleterre ny mpanjaka Charles III sy ny vadiny Camilla ny herinandro lasa teo. Voatoratoraka atody izy ireo nandritra izany. Lehilahy iray no nosamborin’ny polisy britanika manoloana io tranga io. Nihiaka io lehilahy io nandritra ny fisamborana azy hoe « naorina tamin’ny ran’ny andevo ity firenena ity ».
Marihana fa nitety ny faritra avaratr’i Angleterre ny mpanjaka Charles III sy ny vadiny nohon’ny fanokanana ny tsangam-bato vaovaon’ny mpanjaka teo aloha Elizabeth II ao an-toerana. Niakatra ny lazan’i Charles III taorian’ny niakarany teo amin’ny fiandrianana na izany aza tsy ankafizin’ny britanika mihoatran’ny zanany William sy ny vadiny Kate izy.
