Zazavavy 16 taona monja noteren’ny rainy hanambady
Mbola maro ireo Malagasy manao fombafomba maro samihafa amin’izao vanim-potoana izao. Mpamboly lavanila no nosafidin’ity raim-pianakaviana ity atao vadin’ny zanany izay mbola tsy ampy taona. Omby iray sy vola 500 000ar no natao takalony tamin’izany rehefa natao ny fanadiahadiana.
Tonga teny amin’ny zandary tao Sambava mantsy ny tovovavy ny 5 jolay rehefa nitsoaka tao aorian’ny fisoratam-panambadiany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antsahavaribe. Vao kilasy faha 3 izy zazavavy no najanon’ny rainy tamin’ny fianarany araka ny nambaran’ny tovovavy.
Lehilahy efatra, hoy izy hatrany, no tonga tao amin’ny rainy ary izay nanan-karena indrindra no nosafidiany. Araka ny nambarany hatrany dia misara-toerana amin’ny reniny izy izay monina any Ampitolova Bealanana Androna.
Hasina Rasamimanana
