Paik’ady maharitra eo amin’ny sehatry ny fananantany.
Mbola ady tany avokoa ny 85% ady eny anivon’ny tribonaly. Mifampitory sy miady tany eny amin’ny fitsarana ny fianakaviana, mpiray tampo, mpiray tanàna amampolony. Misy ihany koa ny tranga toy ny amin’ny orinasa sy ny vahiny manorina trano eny amin’ny fonenan’ny mponina. Olana goavana ny resaka tany eto Madagasikara. Betsaka amin’ny vahoaka no mitaraina sy hita amin’ny haino aman-jery. Mitaraina amin’ny fisian’ny kolikoly ny ankabeazan’ny olona. Manginy fotsiny ny tsindry hazo lena mihatra amin’ny tompon-tany maro. Mila vahaolana maharitra ity resaka fanana-tany ity. Faritra maro eto Madagasikara no tena lasibatra amin’izany. Izany indrindra no antony hanaovan’ny governemanta amerikanina fanohanana ho an’ny faritra Analanjorofo. Ny tetik’asa Mikajy izay karakarain’izy ireo no hanao ity asa ity. Tanjona ny hiarovana ny vahoaka any amin’iny toerana iny. Mahatonga fahazotoana ho an’ny mponina ny fananany antoka fa milamina izy eo amin’ny toeram-ponenany. Afaka mitrandraka sy manatsara ny fari-piainany izy amin’izany. Marihina fa afaka misitraka ny zo mahatompon’ny tany ara-dalàna ny olona iray rehefa feno ny fepetra mahakasika izany. Tokony ho voaaro izany rehefa manana taratasy ara-dalàna sy ny fanànana bokin-tany na “titre” ary kara-tany ny olona iray, ary misoratra amin’ny anarany.
Fanilo Rarivoarilala
