Actualités

Raharaha Barikadimy : Manokatra fanadihadihana ny governemanta Malagasy.

Saika manameloka ny tranga nisy izay nahafatesana mpianatra iray tany amin’ny oniversiten’ny Toamasina avokoa ny mpianatra sy ireo fikambanana samihafa. Niteraka adihevitra maro teo amin’ny mpanara-baovao sy ny mpanao politika iny tranga iny. Olana efa hita nandritra ny taona maro ny resaka vatsim-pianarana sy ny fampitaovana eny amin’ny anjerimanontolo. Ny mpianatra amin’ny sokajy rehetra mihitsy no hita fa manao fitakiana. Niafara tamin’ny famoizana aina moa izany ho an’ny tany Barikadimy. Tsikaritra eny ambavan’ny maro eny ny fanamelohana ny fampiasana bala tena izy nandritra ny fotoana nisian’ny fifandonana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana. Mihamaro ny trangana fihetsiketsehana tato ho ato. Manery azy ireto ny fiakaran’ny vidim-piainana ka mahatonga azy ireo hanao ny fitakiana. Tonga hatrany amin’ny governementa moa ny raharaha ka nahatonga azy ireo hanokatra fanadihadihana. Ankoatra ny fahafatesana mpianatra iray, hita ihany koa ny fanararaotana sy ny fandrobana teo anivon’ny anjery manontolo tao Toamasina. Manitikitika ny sain’ny maro ny hoe : nankaiza avokoa ary izany ny vatsim-pianarana nandritra ny efa-bolana izay notakian’ireto mpianatra ireto ? Nitodika tany amin’ny filohan’ny oniversite ihany koa ny sain’ny maro nandritra izany. Nanamafy  yeo anivon’ny governemanta fa ny volana jolay 2020 no efa tonga teo amin’izy ireo ny vatsim-pianarana. Milaza ny tsy handefitra manoloana ny trangana kolikokoly sy ny fahasimban’ny fananan’ny oniversite ihany koa izy ireo. Misokatra arak’izany ny fanadihadihana mahakasika ny tena marina amin’ity raharaha izay namoizana aina iray ity. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire