Banky iraisam-pirenena : Laharam-pahamehana ny fiahiana ara-tsosialy
Samy mikatso ara-toekarena avokoa ny firenena manerantany ankehitriny. Efa iaraha-malala ny zavatra lalovan’izao tontolo izao. Ny tatitra navoakan’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny fiandohan’ny taona no nahafantarana fa voadoana ara-toekarena avokoa izao ny faritra manerantany. Betsaka amin’ireo firenena aza no mbola any anaty fahantrana lalina ara-tsosialy. Na tsy mbola hita ho midangana toy ny any ivelany aza ny fahavoazana nateraky ny Covid-19, tsapa ihany ny fahasahiranana ihainan’ny vahoaka Malagasy. Teo ihany ny fanampiana nomen’ny fanjakana mba hanohanana ireo tena sahirana kanefa betsaka ihany koa ireo mitaraina ho tsy nandray izany. Samy nilaza fa sahirana avokoa ny rehetra ankehitriny. Mba hanampiana ny Malagasy araka izany no nanomezan’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 150 tapitr’isa dollars. Tokony hisy tokoa ny fanokanana teti-bola manokana amin’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina. Natao ity vola ity mba hanampiana ny Madagasikara amin’ny fanarenanana vokatry ny Covid-19. Misy araka izany ny tetik’asa “haraton’aina” natao hanampiana ireo tokatrano sahirana. Fianakaviana maherin’ny iray hetsy no hahazo ny tosika ara-bola mandritra izany. Marihina fa efa andiany fahatelo ity tetik’asa. Nanomboka ny taona 2014 no nahazoan’ny Madagasikara ity famatsiana tsy averina ity. Nitondra ny anarana vatsin’ankohaonana moa izy tamin’izany, ary izao nivadika ho tosika fameno izao ankehitriny. Hotohizana manerana ny faritra 14 ny fizarana izany ankehitriny.
Fanilo Rarivoarilala




