CultureTatitra

Etats-Unis : Black-ish, horonantsary mitohy, ahalalana ny kolontsain’ny amerikanina mainty hoditra

Hita tamin’ny horonantsary mitohy « Ma famille d’abord » fa ankafizin’ny maro ny tantaram-pianakavian’ireo amerikanina mainty hoditra. Anisany karazana horonantsary toy izany ny « Black-ish » izay miresaka ny fiainan’ny fianakaviana Johnson.

Ny raim-pianakaviana antsoina hoe Andre Johnson ao amin’ny tantara dia milomano ao anaty fahombiazana arak’asa tanteraka, ao amin’ny masoivoho dokam-barotra iray ao Los Angeles. Manameloka ny zanany tsy manome lanja ny kolontsain’ny amerikanina mainty hoditra nefa izy.

Kena Barris no nanolavola io horonantsary mitohy io izay misy fizarana 175 minitra maharitra 22 minitra avy. Nanomboka ny 24 septambra 2014 no nivoaka tamin’ny tambajotra fahitalavitra ABC sy Citytv ny andiany voalohan’io horonantsary io ary nifarana ny 19 aprily 2022 teo.

Laisser un commentaire