Etats-Unis : Mpandraharaha nahavita zavatra goavana i Jeff Bezos
I Jeffrey Bezos no mpandraharaha manam-bola indrindra. Teraka ny 12 janoary 1964 tao Albuquerque izy ary indostrialy sy tompona haino aman-jery ankoatra ny maha mpandraharaha azy. Ao anatin’ireo olona manan-karena indrindra eran-tany ihany koa izy ary ny fananganana sy ny fitantanana an’i Amazon sy ny Blue Origin no tena nahafantarana azy.Nahay nanararaotra ny zava-nisy i Jeffrey Bezos, ny fahafantarany fa miakatra 2 300% isan-taona ny mpampiasa tranonkala no nanosika azy namorona ny Amazon.com tamin’ny taona 1994. Tao amin’ny garaziny izy no niasa tany ampiandoana niaraka tamina olona vitsivitsy. Ny ray aman-dreniny no anisany nampiasa vola tamin’io tetikasany io na dia efa 30 taona aza izy tamin’izany. Ny taona 1995 kosa no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny tranon-kalan’ny Amazon ary izy miroborobo amin’izao fotoana io.
