ActualitésTatitra

Hawaï : Maherin’ny  1000 isa no mbola tsy hita

Raha antontan’isa farany navoakan’ny manam-pahefana ny 22 aogositra teo noho ny tranga fahamaizana goavana tao Hawaï dia manodidina ny 115 no namoy ny aina. Mety mbola hiakatra nefa izany antontan’isa izany raha ny fananzavan’ny FBI manoloana ireo olona mahery ny 1 000 mbola tsy hita nandritra ny voina.

Marihina fa samy manana ny antontan’isa navoakany ny manam-pahefana, ny polisy, ny vokovoko mena ary ny toeram-pampiantrano centres d’hébergement). Ny FBI kosa amin’izao fotoana no miezaka manambatra izany angon-drakitra izany mba ahafahana mamaritra ireo olona mbola tsy hita raha ny fanazavan’ny « agent spécial » Steven Merrill.

Manoloana izany dia nanokatra laharana manokana ahafahan’ireo manana havana mbola tsy hita miantso ny tompon’andraikitra ny FBI.

Laisser un commentaire