SocialTsidika

Samy mitaky ny sahaza azy ny mpianatra.

Nimenomenona tamin’ilay vatsim-pianarana iray volana fotsiny ny ankamaroan’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo manerana an’i Madagasikara. Na dia efa nisy aza ny nisitraka izany tamin’ny herinandro lasa teo, tsy manaiky kosa ny sasany izay mbola tsy nahazo. Rafitra mihitsy aza ny fifandonana tany amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara ny amin’io vatsim-pianarana io. Tsy fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra toy ny tany Toamasina anefa no niseho fa teo amin’ny mpianatra samy mpianatra indray, omaly 25 febroary. Ny andaniny mangataka ny handoadavana ny vatsim-pianarana efa-bolana, ny fampitaovana ho an’ny mpianatra, ny fanamboarana ny toeram-pivoahana sy ny fahamitana ny trano R+3 ary ny fankatoavana ny mari-pahaizana na « validation de diplôme ». Ny ankilany kosa mitaky ny hanajanonan’izany fitakiana izany sy ny hanohizana ny fampianarana ary hionona amin’ny vatsim-pianarana iray volana. Mpianatra roa no naratra mafy noho izany fifandonana izany ary ny mpitandro filaminana indray no tonga nandamina teny an-toerana. Handray fepetra vaovao ve ny eo anivon’ny Oniversite manoloana ilay vatsim-pianarana miteraka izany korotana izany ? tsy fahaiza-mionona amin’ny efa lamina ihany koa ny an’ireto mpianatra sa nohon’ny fahasahiranana nateraky ny COVID-19 ka tsy hay leferina intsony ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire