Fampianarana: 84% amin’ny mpianatra no iharan’ny fanararaotana ara-nofo hoy ny OIT
Mie-ratsy hatrany ny tahan’ity fanararaotana ara-nofo hatao amin’ny mpianatra ity eto Madagasikara. Efa hatramin’ny 84% amin’ny mpianatra no iharan’izany amin’izao fotoana izao. Miseho amin’ny fomba maro samihafa izany ary mety hiatra amin’ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo sy ireo mpianatra amin’ny fanofanana arak’asa. Efa maro ireo tonga saina amin’ny fisian’izany tranga izany ka manao ny adidy hiarovana ny mpianatra. Ansian’izany ihanynkoa ny OIT;
“Ny fahafantarana io taha io izay tena ambony tokoa no nanosika anay nanatantareka ity ady hevitra sy fanentanana ny tabnora teto Toamasina ity. Ny tanjona tamin’ity fampiofanana ity dia ny hanaitra ny fahatsiaroavn-tenan’ny tsirairay sy ny daholobe hahafahana mampiroborobo ny fanovana eny anivon’ny Oniversite”, hoy ny avy ao amin’ny Organisation Internationale du Travail.
Miseho amin’ny endriny samihafa arakaraka ny mpianatra ity tranga iray ity. Ny tena malaza di any fanararaotan’ny mpampianatra hahafahan’ireo ankizy mahazo salan’isa ambony. “ Mamoafady sady mahamenatra ary mampalahelo ny tranga toy izany. Mbola sarottra anefa ny ady satria ireo ankizy tsy mahasahy mitoroka sao tsy hisy hino, na ihany koa tsy ho afa-panadinana. Tsy ny ankizy tsy mahay ihany no rahonan’ireo mpampianatra fa na ireo manana naoty ambony aza dia rahonany hampidinana indray ny naotiny. Tokony hahasahy hitoroka anefa ny tanora satria tokony hofongorina izany”, hoy ireo solontenan’ireo mpandray anjara tamin’ny fampiofanana.
Ny tao Toamasina ity notanterahina ity. Marihina fa manerana ny Nosy ny tranga ka tsy maintsy hikaroham-bahaolana. Ity programan’asan’ny OIT ity dia miompana amin’ny fanatsaharana ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo eo amin’ny sehatry ny fampianarana.
Miora Raharisolo
