ActualitésTatitra

France : Jérôme Pinel, nasandratrin’ny Slam

Mpihira, poeta sary mpanao Slam i Jérôme Pinel. Avy ao Mazamet ao France izy ary nandray anjara tamin’ny fifaninana Grand Slam national tao Paris tamin’ny taona 2018 izay fahombiazana tanteraka. Nahazo ny tapakilany nandraisana anjara tamin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny Slam taona 2019 izy manoloana izy.

Nobatain’i Jérôme Pinel ny amboara tamin’io fifaninana io notontosaina tao Paris tamin’ny volana jona 2019 io. Izany fahombiazana izany no anisany nanosika azy teo amin’ny sehatry ny kanto sy ny laza. Efa ny taona 2006 tao Castres mantsy izy no nanomboka nanao Slam raha ny fanazavany saingy taorian’ny fifaninana tamin’ny taona 2019 vao nisandratra.

Efa manana hira sy « Slam » maro i Jérôme Pinel amin’izao fotoana ary namoaka rakikira toy ny « Les carnets du 327885R (Textes et bruits) » sy « La valise d’Habib ».

Laisser un commentaire