ActualitésTsidika

Alasora: Nilamina ny fanomezana solombodiakoho ho an’ny zokiolona

Notontosaina omaly alarobia 21 jona, ny fanomezana ny solombodiakoho ho an’ireo zokiolona, ao anatin’ny kaominina Alasora. Nilamina ny fizarana izany, teny amin’ny toerana roa nanatanterahana ny fizarana, raha ny voalaza.

“Misy tamin’ireo zokiolona no tsy tonga teny an-toerana nanatanterahana ny fizarana, nandritra ny andron’ny omaly, noho antony maro samy hafa; nijery manokana azy ireny ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy ka hanatitra izany any an-tokatrano avy” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hisaorana lehibe ny kaominina amin’izao ezaka asehony amin’ireo zokiolona izao. Tena maro tokoa izy ireo eto an-toerana, kanefa tsy nanadino azy ireo ny tomponandraikitra amin’izao fetin’ny Malagasy izao” hoy i Sahondra, tomponandraikitra amin’ny fokontany.

Tsiahivina, fa ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny fankalazana ny faha 63 taona, niverenan’ny fahaleovan-tena, izay atolotry  ny kaominina Alasora tanteraka, izao fizarana izao. Ireo zokiolona maherin’ny 70 taona moa no nisitraka izany. Hitohy amin’ny fizarana “panier garnie” kosa izany ho an’ny rahampitso 23 jona.

Manitra R.

Laisser un commentaire