SECES : Naneho ny tsy fifaliany
Mba hisian’ny filaminana maharitra eny amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana dia nitakyny fizakantenan’ireo oniversite sy toeram-pampianarana ambony ary foibem-pikarohana nasionaly ny SECES. Tsy nankatoavin’ny HCC nefa ny tolo-dalàna momba izany.
Sokajian’ny SECES ho endrika fanapotehana ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana ny fanakatonana amin’ny 30 Aprily izao ny « comptes bancaires » an’ireo « toeram-pampianarana ambony. Mampitandrina ny SECES manoloana ny tsindry sy fanararaotam-pahefana ataon’ny olom-panjakana sasany, eo amin’ny fampidirana olona ho mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra. Nilaza ny filohan’ny SECES Sampana Antananarivo, Ravelonirina Sammy fa mampanontany tena ny antony handavan’ny HCC io tolo-dalàna io.
Hasina Rasamimanana
