La Réunion : Niverina misokatra ny seranam-piaramanidina Pierrefonds rehefa niato nandritra ny 2 taona
Niverina nisokatra omaly 2 novambra ny seranam-piaramanidina Pierrefonds ao La Réunion rehefa niato nandritra ny 2 taona. Efa nanatontosa ny sidina voalohany nakao Maurice ny seranana omaly ary manomboka izao dia manatontosa fihodinana 2 isan-kerinandro makao amin’io nosy io izy ireo.
Maherin’ny 50 tamin’ny toerana 132 no efa tonga nandray io sidina voalohany io hoy ny tale jeneralin’ny Pierrefonds, Didier Prugnière. Fotoana manan-danja hoy ity farany ny fisokafan’ny seranana indray ary nisaotra ny Air Austral izay nifanaraka sy nifanaiky nametraka tolotra vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina Pierrefonds ny tenany.
