ActualitésTsidika

Smatchin : Ho tanterahina ny 09 ka hatramin’ny 17 martsa 2024 ny fifaninanana

Ny 09 ka hatramin’ny 17 martsa 2024 izao no hanatanterahana ny lalao fifaninanana eo amin’ny taranja basket-ball, eo amin’ny oniversite sy institut eto Antananarivo na ny Smatchin. Miditra amin’ny andiany fahafolo ny fifaninanana amin’ity taona ity ary eny amin’ny kianjan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no hanatanterahana izany.

Ny taona 2012 no nisian’ny Smatchin voalohany. Tany am-boalohany dia fifaninanana nataon’ny mpianatry ny anjerimanontolo ihany izany. Amin’izao fotoana, mitohy hatrany ny fifaninanana ary hita miha-mitombo lenta. Anisan’ny fotoana andrasan’ny tanora indrindra ihany koa ny Smatchin noho izy miampy ireo fampisehoana sy fifaninanana miara-dalana aminy izay ataon’ireo mpianatra avy amin’ny ambaratonga ambony maro ho fanamarihana izany.

Laisser un commentaire