Minisetran’ny serasera sy ny kolontsaina : Hotontosaina rahampitso ny Vonin-tenina
05 Aprily, 08h30. Handray pôeta andrarezina ny Tranombokim-pirenena Anosy rahampitso 6 aprily manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Ny Mpizaka STeLaRiM, fikambanana havanana amin’ny fiketrehana hetsika mahaliana dia hanatanteraka hetsika « Vonin-tenina » ao amin’ny efitrano Dox. Hisy antsa tononkalo hamelomana an-tsehatra ny asa soratr’ireo andrarezina ihany koa amin’io fotoana io. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana izany.
