ActualitésTsidika

Anjeva: Mbola tsy ampy ny fanentanana mahakasika ny fanajana ny foto-drafitr’asa

Nanampy betsaka ireo mponina tao amin’ny fokontany Ambatofotaka, kaominina Anjeva ny fametrahana paompin-drano vaovao tao an-toerana. Anisan’ny tokony atao voalohany, mba hampaharitra azy ireny dia ny fikojakojana sy ny fanajana azy satria fananana iombonana. 

“Tokony hahay hikajy sy hikoja isika vahoaka mpisitraka ny foto-drafitr’asa. Anisan’ny sarotra ny mahazo rano fisotro madio amin’ny kaominina ambanivohitra, ary efa niandry ela vao nahazo foto-drafitr’asa ka tokony hahay hitrandro izany” hoy I Louis, zokiolona.

“Anisan’ny fanentanana tokony hatao mba hananana olom-banona ny fanabeazana eo amin’ny resaka fahaiza-miaina. Manomboka any amin’ireo ankizy madinika dia tokony entanina, atoro ny azo atao sy ny tsy azo atao mba tsy hanimbana na hitandroana ny fananana iombonana” hoy I Norbert, mpanabe.

Fakan-tahaka avokoa ny tsara vitan’ny hafa rehetra. Ireo lehibe no fitaratra voalohany tokony harahin’ny kely ao anatin’izany. Miankina amin’ny ohatra asehon’ny lehibe araka izany ny fiandohan’ny fanajana ireny fananana iombonana ireny ary tsy voatery hiandry tomponandraikitra vao voahaja sy voakoja izy ireny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire