ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Niroso tamin’ny fanoloana hidim-pantsona 350 ny jirama

Olana nahatonga ny tsy fisian-drano teny amin’ny manodidina an’Ambohitrarahaba, Analamahitsy, Manjaka, Ankadikely, Ilafy sy ny maro hafa ny fahasimban’ny fantsona mpitondra ny rano amin’ireo faritra ireo, araka ny voalazan’ny orinasa jirama. Nisy ny fanoloana izany hidim-pantsona izany tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo.

« Hita tokoa fa tena efa simba tanteraka ny vanne, hidim-pantsona 350, teto Ambatobe. Nisy ny fanalana izany ka nosoloina avy hatrany mba handaminana ny famatsian-drano amin’ireo fokontany manodidina » hoy ny avy amin’ny jirama.

« Efa an-taonany maro no tsy nisy rano teto Ilafy. Nandritra izay dia niafy ary nangina ny mponina. Na teo aza ny fanamboarana, tsy mbola niverina ara-potoana ny rano. Hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa satria mijaly ny mponina  » hoy i Noro, renim-pianakaviana.

Hiditra ao anatin’ny fotoan’ny main-tainy isika. Miahiahy ireo mponina ao anatin’izany amin’izany fahasarotan’ny fakana rano indray. Manano sarotra ny fahazoana rano anatin’ny fotoanan’ny main-tany.

Laisser un commentaire