ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny asa fanamboarana ny kianja ao Ambohidrazaka

Mitohy ny asa fanamboarana ny terrain synthétique, ao Ambohidrazaka, kaominina Alasora, amin’izao fotoana. Ao anatin’ny asa tanteraka ireo tomponandraikitra ankehitriny ary kendrena ny ahavitan’izany amin’ity herinandro ity, araka ny voalaza.

“Mandroso ny asa, manomana ny kianja handray ny tapie ny mpiasa ety an-toerana. Araka ny fandaharan’ny kaominina, dia tanjona ny ahavitan’ny asa amin’ity herinandro ity ka hisantatra ny lalao voalohany eto an-toerana amin’ny sabotsy 07 oktobra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tetik’asa goavana be ho an’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ity kianja ity. Mirehareha ny mponina eto Alasora amin’ny fananana tomponandraikitra mijery sy mikarakara ny tanora. Hirariana ny hahavitan’izany soa amantsara” hoy i Rija, mpanao baolina kitra.

Efa tsindrin-daona ahazo kianja vaovao ireo mpitia baolina kitra ao amin’ny kaominina Alasora. Anisan’ny tetik’asa goavana ho fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ity kianja ity. Miandry ny fahavitan’izany ireo mponina ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire