Maurice : Miandry kely ny fisokafan’ny New Cancer Hospital
Raha ny tany amin’ny fiandohan’ny tapany faharoan’ity taona ity no fotoana nifanomezana hisokafan’ny New Cancer Hospital ao Solférino dia hisy fahatarany izany raha ny fanazavan’ny minisitry ny fahasalamana tao an-toerana, Kailesh Jagutpal. Raha ny fananamafisany tsy ho tara ny amin’ny fiafaran’ny taona izany ary efa tomombana avokoa fitaovana saingy antontan-taratasy momba ny tolo-bidy ny « curiethérapie à haut débit de dose » sy ny « Cyberknife » no mbola an-dalàm-panatontosana.
Raha tsiahivina dia hopitaly nataoka hiadiana amin’ny homamiadana ny New Cancer Hospital. Mitentina 800 tapitrisa Rs ny sandan’ny fitaovana hapetraka ao amin’izany ary mbola hiampy miandalana izany raha ny tatitra. Ho avo lenta avokoa ny fitaovana hoy ny tompon’andraikitra ary hametrahana PET Scan avy amin’ny IAEA (International Atomic Energy Agency) ao amin’izany.
