Tsidika

Faritry SAVA : Voasambotra ireo lehilahy mpisoloky vehivavy hiasa any amin’ny tany Arabo

 Araka ny feo niely sy ny fitarainana voarain’ny zandary dia misy indray ny tambajotra mpisandoka milaza fa mpandefa vehivavy hiasa any amin’ny tany Arabo ao amin’ny Faritry SAVA. Nanantanteraka ny fitsiriahana rehetra ny mpitandro ny filaminana ka tratra ary voasambotra ireo  roa lahy tompon-kevitra sy mpisoloky.                                              Raha araka ny tatitra voaray dia miisa 12 ireo vehivavy avy any faritra SAVA nosandohan’izy roa lahy ireto ka nitakiany vola

“ Nilaza izy ireo fa mahita asa any ivelany ary azo antoka tsara izany. Any amin’ny tany Arabo hoy izy ireo no misy asa amin’izao ary asa trano ilay atao.Vola mitentina 600 000Ar hatramin’ny 1 200 000 Ar no takian’izy ireo fa hoe hikarakarana taratasy sy pasipaoro.” Hoy ity vehivavy voasandoka

“ Tsy ho avela ho afa-maina ny mpanao ratsy sy ny mpisoloky toy izao. Tsy ekena ny fanararaotana ny tsy fanananan’ny hafa ka entina hakana vola sy hisandohana. Efa tonga eto aminay ny raharaha ary hahazo ny sazy enjana sahaza azy izy ireo. Izahay mpitandro ny filaminana dia manentana antsika rehetra hitandrina hisorohana ny sandoka.” Hoy ny Mpitandro ny filaminana.

Miaina ao anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina ny akamaroan’ny tokantrano Malagasy anakehitriny ka zary lasa mifampitsetritra am-pitoerana. Tsy manana hevitra hafa afa-tsy ny hivoaran’ny fiainany ny isam-batan’olona ka tsy mijery ny maha olona intsony, tsy mijery izay hametrahana ny tongotra intsony satria teren’ny hamafin’ny fiainana. Tokony hahatonga saina izao zava-mitranga izao satria ny maha olona mihitsy no efa miha tsy hita tsikelikely.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire