ActualitésTsidika

Anjeva : Hisy ny fanomanana fanadinana atolotry ny kaominina

Hisy ny fanomanana fanadinana, izay atolotry ny kaominina Anjeva gara. Hanomboka ny 09 martsa 2024 ny fampianarana ao anatin’izany, izay marihina fa maimaim-poana, araka ny voalaza.

« Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana amin’izao fotoana izao, dia faly ny kaominina manolotra cours préparatoire ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sokajy A sy B ary Baccalauréat (sokajy L, S, OSE) ho an’ity  taom-paianarana ity. Voakasika izany fampianarana izany avokoa ireo mpianatra rehetra ato amin’ny ZAP Anjeva na ireo zanak’Anjeva mianatra any ivelan’ny kaominina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra

« Hevitra iray anisan’ny mahomby, hanatsarana ny voka-panadinana ny fanohanana ireo mpianatra amin’ny fampianarana tahaka izao. Ao anatin’izany ireo mpianatra no manampy ireo fahaizana noratovina tany an-tsekoly ary mianatra ireo fomba enti-miatrika ny fanadinana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ao amin’ny biraon’ny kaominina ANjeva gara moa no hanatanterahana ny fisoaratana anarana ho an’ireo izay liana amin’izany, manomboka ny alakamisy 22 febroary ka hatramin’ny zoma 1 martsac 2024. Ny zavatra ilaina amin’ny fisoratana anarana dia ny carnet de correspondance na taratasy fanamarinana maha mpianatra ary sary tapaka iray.

Laisser un commentaire