Maurice : Nanafatra vaksiny fanefitrin’ny « Variole de singe » ny tompon’andraikitra
Nanapa-kevitra nitazona ny fanairana ara-pahasalamana manoloana ny « variole du singe » ny OMS na efa nahitam-pihenana aza ny tranga amin’ireo firenena voakasika ao Europe sy Amérique.
Manoloana izany dia mailo i Maurice ka nanafatra vaksiny fanefitrin’io tsimok’aretina io 1 000 fatra. Marihana fa nankatoavana nandritra ny filankevitry ny minisitra tao an-toerana tamin’ny taona 4 novambra io fanampahan-kevitra io.
Ny komity ara-barotra sy ara-pitsaboan’ny ministeran’ny fahasalamana ao Maurice kosa no hiandraikitra ny fankatoavana ny fampiasana io vaksiny io.
