Dépêches

Antanifotsy : Mpanabe iray notanana am-ponja vonjimaika

Dépêche 14 novembre, 13h, Mpanabe 31 taona iray, mpampinatra amin’ny sekoly iray ao Antanifotsy no notanana amponja vonjimaika noho ny fiahiahiana azy ho nanodikodina zaza tsy ampy taona. Latsa-pitia tamin’ny mpianany iray 14 taona izy ka efa natao ny taratasy fandraràna azy tsy hanohy izany fanadalana izany intsony saingy ziao izy niverina izao indray. Nametraka fitoriana araka izany ireo Ray amn-dReny rehefa nahita fa mbola mitohy ny fanadalany ny zanany miaraka amin’ny fanomezan-toky fa alainy ho vady ity zanany kanefa ity mpanabe ity dia efa manambady. Miandry ny fiotoam-pitsarana azy any am-ponja izy ankehitriny. Tokony ho fiatratra eo anivon’ny fiaraha-monina hatrany ny mpanabe ka hanome ohatra tsara ho an’ny olon-drehtra. Tsy mendrika ny maha mpanabe ny fitondran-tena toy izao ka mila handraisana fepetra.

Laisser un commentaire